FIKAONANDOHAM-PIRENENA

Hataovy mazava


  • Alakamisy 11 Desambra 2025

ny Feuille de route hoy Pastera Mailhol

Naneho ny heviny mikasika ny fikaonan-doham-pirenena notanterahina teny amin'ny efitrano fandraisana fivoriambe teny Ivato na ny CCI omaly Pastera Mailhol filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalipsy maneran-tany. Ataovy mazava ny Feuille de route hoy izy toy ny hoe : fifidianana inona no handeha sy hatao voalohany eto amin'ny tany sy ny firenena. Ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalam-panorenana hidirana any amin'ny Repoblika fahadimy ve sa ny fifidianana solombavambahoaka sa ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena. Mila mitandrina tsara ihany koa ireo mpanatrika ity fikaonan-doham-pirenena ity mba tsy ho sanatria zavatra efa vita avy any no vakiana sy hoatolotra amin'ny fotoam-pamaranana fa tsy ireo nodinihina sy nandaniana andro akory. Izay foana no zavatra nisy teto amin'ny tany sy ny firenena hatramin'izay hoy hatrany Pastera Mailhol. Mikasika ny politikan'ny fanavaozana ihany koa dia nomarihiny manokana fa tokony hofaritan'ny Fitondram-panjakana tsara hoe : hiaraka amin'ny Tandrefana ve isika sa ny Tatsinanana. Farany izay tsy kely akory dia nomarihin'ny Pastera Mailhol fa raha vao ny fifidianana solombavambahoaka na ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalam-panorenana no mandeha aloha eo dia ho sahirana foana izay Filoham-pirenena mitantana eo. Tokony ny fifidianana Filoham-pirenena foana no mandeha aloha hoy izy.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT