Fikaonandoha

tsy mahaliana ny tanora


  • Talata 19 Mey 2026

Tsy tongatonga ho azy

Niparitaka tanaty tambazotran-tserasera tato anatin'ny herinandro izao tranga nisy nandritry ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tanora natao tany amin'iny faritr'i Matsiatra iny. Vitsy dia vitsy, mba tsy ilazana mihitsy hoe, zara raha nisy ireo tanora tonga namaly ny antso, raha ny fampitan-tsary voaray ny faran'ny herinandro teo. Mbola velankevitra ho an'ny tanora ihany koa, 3 taona lasa izay, mikasika fihariana ho an'ny tanora mihitsy, ary mbola natao tao an-toerana ihany koa, kanefa dia mbola zara raha nisy koa ireo nanatrika izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Heverina, noho izany, fa tsy tongatonga ho azy ity fikaonandoha tsy mahaliana ny tanora ity. Isan'ny fanontaniana mipetraka moa ny hoe ny resaka fampahantarana ve no tsy ampy? Olana ara-panabeazana ve? Sao dia misy sivana na fanavakavahana natao tamin'ireo tanora kosa? Mahagaga nefa, etsy ankilany, fa rehefa fampisehoana mampandihy fitombenana sy ny tahaka izany dia hipoka hatrany ny kianja, hoy ihany ireo fanamarihana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT