Actualités

Fikambanan’ny Masikoro Arivolahy “Manaiky hamono olona maro izay manaiky ny Base Toliara”


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Manimba tontolo iainana ny Base Toliara, hoy ny Fikambanan’ny Masikoro Arivolahy eto Antananarivo na FIMA. Misy asa fanomanana ao mialohan’ny asa rehetra, hoy ny filohan’ny FIMA.

Aripany ao anatin’izay ny ala eo amin’ilay toerana alohan’ny hanaovany fitrandrahana. Ilay zavatra ho trandrahany any ambany any amin’ny 100 metatra mahery. Ny sosona miaro ny tany na “nappe phréatique” nefa ato ambony ato. Mitady rano betsaka izy rehefa mitrandraka. Raha hahazoany 1 taonina amin’ny fasimainty, ohatra, dia handaniany 1000m3-na rano. Tsy maintsy voaloto io rano io satria mampiasa “Acide d’ammonium”, “acide oxalique” izy hanadiovany an’io. Dia misy fako manimba na “déchets toxiques” sy “déchets radioactifs” 2000 taonina. Atao aiza izany ilay rano maloto sy fako manimba? Tsy maintsy maloto izany ilay “nappe phréatique” hanaovan’olona vovo hisotroan’olombelona sy biby fiompy ohatra. Rehefa azo ilay uranium sy plutonium 232 ao ambany ao dia hamokarana baomba nokleary sy fitaovam-piadiana famotehana mahery vaika, ankoatran’ny zavatra tsy mamono olona. Raha ny arabo no mahazo ilay fitaovam-piadiana dia tena asa. Mpitondra manaiky hamono olona maro izany ny mpitondra manaiky ny handehanan’io Base Toliara io. Tsy ekena ny famonoan’olona sy fanimbana tontolo iainana. Mpamboly, mpiompy, mpihaza, mpanarato ny mponina eo. Misy tetikasa azo atao mifandraika amin’izany. Ny filoham-pirenena moa no mpanapa-kevitra ary ny olona mampirisika any dia olon’ny fitondrana. Ho hita eo moa ny tohiny fa izahay tsy manaiky, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT