Taorian’ireo fitetezam-paritra efa vitan’izy ireo dia anjaran’Antananarivo indray izao no akan’ilay fikambanana Vahaolana Anio sy Rahampitso (VAR) hevitra hijerena izay
soso-kevitry ny olom-pirenena tsy ankanavaka hamahana ny olana misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Ny hevitra tsy azo raha tsy amin’ny olombelona, hoy ny sekretera jeneralin’ny fikambanana, Jerry Rakotoarijaonina. Etsy amin’ny kianjan’ny kanto Mahamasina, araka izany, rahampitso sabotsy no hanasan’izy ireo ny olom-pirenena tsy ankanavaka hitondra ny hetaheta sy soso-keviny avy ary aorian’izay dia aravona anaty antontan-kevitra iray ireo hevitra voaangona h aranty amin’ny tokony hiantefany. Nilaza moa ity sekretera jeneraly ity fa nahomby ny hetsika ho an’ny tany amin’ny faritany manokana satria nazoto nandray anjara ny olona.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.