Actualités

Fikambanana Vahoaka Malagasy Mijoro Miangavy ny mpampianatra FRAM tsy hamono ny taom-pianarana ho avy


  • Alakamisy 11 Septambra 2014

Namory ny mpikambana ao aminy teny amin’ny Complexe Scolaire Ampefiloha omaly ny fikambanana Vahoaka Malagasy Mijoro ary niara-nanandra-peo ka mitalaho amin’ny mpampianatra FRAM mba hiverina hampianatra fa tsy hanatanteraka ny fanaovana ho taona maty ny taom-pianarana 2014-2015 hoavy

Mijoro ary niara-nanandra-peo ka mitalaho amin’ny mpampianatra FRAM mba hiverina hampianatra fa tsy hanatanteraka ny fanaovana ho taona maty ny taom-pianarana 2014-2015 hoavy. Amin’ny maha-raiamandreny anay izay tena sahirana ety ambany tanàna, hoy ny filohan’izy ireo Randrianarisoa Gervais, dia efa tena sarotra ho anay ny hahita ny saram-pisoratana anarana ka mbola tsy havela hianatra indray ve ireo zanakay ireo ? Efa misaotra ny ministera isika, hoy izy, manam-piniavana hampiditra ho mpiasam-panjakana mpampianatra Fram maro . Hisaorana koa ireo ministera maromaro niara-nanapakevitra ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny resaka baoderozy efa notanana amin’ny toerana voatokana ka tsy hanomezana tombony olon-tokana fa mba hitsinjovana ny zaza Malagasy. Mbola hisaorana ihany koa ny fitondrana nanao ny tetikasa HIMO mba hahazoan’ny madinika ny sitrany hahay hitsinjovana ny fiainan-janany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT