Actualités

Fikambanana Toliary Raika Avao “Mila mifanampy rehefa misy zava-manjo”


  • Talata 21 Martsa 2023

Namaly ny antson’ny kaominina noho ny tsy fisian’ny solika entina mampiodina ireo “motopompes” hitrohana rano ao Toliara ny Fikambanana Toliary Raika Avao.

Nitondra solika 30 litatra ho an’ny kaominina. Efa nanatitra vary 10 gony sy mofo dipaina an-jatony ihany koa izy ireo satria ny zava-dehibe dia ny hoe: misy zanak’I Toliara ary miray hina rehefa misy zavatra manjo, hoy ny fanamarihan’ny Toliary Raika Avao Atoa Aderman Omar. Nomarihiny fa Fikambanan’ny tanora tonga saina izy io, tsy manavaka, tsy miresaka politika, fa mila miray ny zanak’I Toliara satria ny firaisan-kiana ihany no ahafahana manandratra avo sy mampandroso ary mampisondrotra an’I Toliara, hoy izy ireo. Nomarihin’ny Filohany hatrany, fa samy manana ny firehany ireo, misy fikambanana, misy antoko politika,.. fa tsy izay no zavatra voizina fa ny fitambarana iray ho an’I Toliara. Manana adidy sy andraikitra isika satria samy miaina eto, manana andraikitra ny mpandraharaha satria ireo vahoaka noana ireo no mpanjifa anareo, ka tokony hifanampy rehefa misy zavatra manahirana, hoy ny fanentanan’ny mpitarika ny Toliara Raiky Avao Atoa Adberman Omar.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT