FIKAMBANANA TOHANA ETSY ANKASINA

Manampy ny vehivavy hahaleo tena ara-bola


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Ny tsy fananan’ny vehivavy fototr’asa mahavelona amin’ny ankapobeny no manosika

ny lehilahy hanao herisetra amin’izy ireny rehefa tonga ao anatin’ny tokantrano. Manampy ny vehivavy hisoroka izany ny Fikambanana Tohana etsy Ankasina no sady mitady vahaolana hahatonga azy ireny hahaleo tena ara-bola ihany koa. Manome fiofanana maimaim-poana ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana vonona hiotra amin’ny fiainana izy ireo mandritra ny 6 volana no sady manohana ara-tsakafo. Miantoka ny crèche hipetrahan’ny zanak’ireo vehivavy ireo ihany koa ny fikambanana mandritra ny fotoana hiofanany. Anisan’ny hanofanana ireo vehivavy kosa ny resaka zaitra mba hitadiavany asa eny anivon’ny orinasa afaka haba. Eo ihany koa ny fitaizana zaza eny amin’ny crèche, …. Hatreto dia vehivavy ampolony no efa nahazo tombontsoa ka 23 taona no zandriny indrindra. Misy amin’izy ireo no efa nahita asa soa aman-tsara ary efa mifototra amin’ny famelomana ny ankohonany raha mbola misy kosa ireo manaraka fiofanana.
Pati
Legende : Amin’ny alalan’ny fiofanana toy izao no hahafahana manampy ny vehivavy mba ho afaka hamokatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT