Actualités

Fikambanana Tantsaha Valin-tanana “Hafa ihany i Marc Ravalomanana”


  • Alarobia 13 Septambra 2017

An-jatony ny antoko politika misy eto Madagasikara, saingy mitondra inona eto amin’ny firenena ny fisiany ?

 

 Io no fanontaniana apetraky ny Fikambanana Tantsaha Valin-tanana any amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Nahazo vahana ny krizy politika sy ny fahantran’ny vahoaka tato anatin’ny folo taona, ary niorim-paka ny tsy fifampatokisana teo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, hoy izy ireo. Naongana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay nahay nihavana sy nitsinjo ny Malagasy, ary efa niarin-doha sy nizotra nankany amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy nisy masoandro nihiratra ho an’ny Malagasy nanomboka teo fa fanjakana mpanao kolikoly sy mpangoron-karena no nisy. Vao misy maneho hevitra, dia miaramila mirongo fitaovam-piadiana no harantiranty. Manaitra ny mpiray tanindrazana mba ho mailo sy tsy hofitahana intsony ny fikambanana. Amin’izy ireo, misy sokajiny ny mpanao politika eto ka mila fantarina tsara. Voalohany, ny mpanao politika tia tanindrazana manana programanan’asa sy paik’ady hampandroso ny firenena, mahay misafidy izay mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny fikatsahana ny tombontsoam-pirenena. Saro-piaro amin’ny fiandrianam-pirenena, ka tsy ny vahiny indray no hanjakazaka amin’ny tany sy ny harem-pirenena. Efa nisy teto izany olona izany saingy nopotehina, ary adidin’ny Malagasy ny mamerina azy. Misy kosa ny manao sarintsarina fitiavan-tanindrazana, ka mody mividy sy manambitamby ny Malagasy amina zavatra tsy manao ahoana, kanefa mpikarama an’adiny mpanjanatany, ka ny vahiny no homena vahana amin’ny filibana amin’ny harem-pirenena etsy sy eroa, toy ny misy ankehitriny.

Toky R


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT