Fikambanana

Tandroharena


  • Talata 28 Aprily 2026

Miantso ny rehetra ho sarotiny amin’ny vakoka sy harem-pirenena

Zary lasa toy ny fomba amam-panao sy miverimberina loatra eto amin’ny firenena ity fandorana rova sy famotehana vakoka eto Madagasikara ity, hoy ny fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba ny vakoka sy harem-pirenena na ny fikambanana Tandroharena naneho ny heviny nanoloana ny fahamaizan’ny rovan’Ambohidratrimo Marovatana ny alin’ny 26 aprily teo. Tranga izay tena mampalahelo sy loza mitatao ho an’ny taranaka fara-mandimby izany sy ny toy izany rehetra, hoy ity fikambanana ity, ka ilàna ny fahatongavan-tsainan’izay rehetra mbola mahatsiaro ny tenany ho malagasy koa. Lalana mankany amin’ny famotehana tanteraka ny maha izy azy ny firenena sy ny fisian’ny atao hoe malagasy manontolo mihitsy ny tranga mamohafady toy izao. Tokony ho tena sarotiny sy hanao ny fomba rehetra hihaza sy hanafay ireo nahavanon-doza mpamotika vakoka sy harem-pirenena na harena hita maso io na tsy hita maso ny mpitondra malagasy rehetra mandalo, na iza na iza. Tokony ho sarotiny mialoha azy ireo ihany koa ny olompirenena malagasy, izay isan’ireo vahoaka hitoetra sy hampandova ny taranany an’ity firenena ity sy ireo harena hananany. Manao antsoavo amin’ny rehetra, noho izany, hoy hatrany ny Tandroharena, mba ho sarotiny amin’ny haren-tsaina, ny kolontsaina, ny vakoka, ny harena eto amin’ity firenena ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT