Ny 70%-n’ireo tanora manodidina ny 30 taona eto amintsika dia saika tsy an’asa avokoa.
Voafaoka ao anatin’izany ireo nahavita sy tsy nahavita fianarana, antony manosika ireo karazana Fikambanana handray ny andraikiny ho enti-miady amin’ny fahantrana. Anisan’izany ny Tanora Mampandroso Firenena na ny TAMAFI tarihin’ny filohany Ramamialivony Mamivola. Raha araka ny fantatra dia efa mahatratra 600 hatreto ireo mpikambana ao amin’ny TAMAFI manerana ny Nosy. Ankoatra ny fanomezana toro-hevitra ny tanora mba tsy sanatria hivary lavo na hataotao foana dia manome fiofanana toy ny asa fanamboaram-bolo ihany koa izy ireo. Tanora mihoatra ny 30 isa hatreto no efa nahita asa vokatr’izany. Amin’ny alalan’ny latsak’emboka hataon’ny mpikambana moa no mbola hahafahana mampiodina ny fikambanana hatreto. Ezaka goavana efa vitan’izy ireo ohatra ny nanangana toerana fanamboaram-bolo iray ka sady afaka mampidi-bola ho an’ny fikambanana ireo mpikambana no mahavelona tsara ny tenany ihany koa. Nisy ny fihaonana notanterahin’izy ireo nentina nanamafisana ny firaisankinan’ny mpikambana ny faran’ny herinandro teo teny Imerinkasinina.
Pati
Legende : Ny Filohan’ny fikambanana TAMAFI, hotronin’ireo mpikambana ao aminy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.