Actualités

FIKAMBANANA NOSY MIAVAKA Mila miverina amin'ny fivavahan'ny razambeny ny Malagasy


  • Zoma 03 Jolay 2015

Krizy ara-pinoana no misy eto amintsika raha ny fahitan'ny fikambanana Nosy miavaka azy fa tsy krizy ara-toekarena na politika akory.

 


Noho ny tsy fahafantaran'ny Malagasy ny momba azy sy ny niandohany no mahatonga izany, hoy izy ireo ka mahatonga ny taranaka rehetra voaozona ka mibaby fahantrana tahaka izao. Amin'izy ireo mantsy dia hebreo ny Malagasy ary taranaka voafidy. Araka izay anarany izay dia tokony hivavaka amin'i Helohim ny Malagasy fa tsy hivavaka amin'ny Andriamanitry ny firenena hafa, antony mampahantra azy ireo. Araka izany dia ny fiverenana amin'ny fivavahana amin'ny razamben'ny gasy talohan'ny 1722 ihany no hitan'izy ireo fa vahaolana dia ny andriamanitr'i Jakoba, Isaka ary Abrahama. Hampahafantatra tsiambaratelo maro manodidina izany izy ireo ny alahady ho avy izao etsy amin'ny lycée Rabearivelo Analakely. Kaonferansa lehibe no hotanterahin'ny fikambanana amin'izany manomboka maraina mandrapahariva ny andro, tsy  misy vidim-pidirana no sady tsy hanavahana na iza na iza. Nambaran'ny fikambanana moa fa hampitsimbadika ny tantaran'ny firenena ho ambony ambany ny fankatoavany izany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT