Fikambanana Mii’zara

Manentana ny malagasy mba hifanampy


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Mandalo fahasahiranana ny maro ankehitriny, hoy ny filohan’ny fikambanana Mii’zara, Fafah Rarivo.

Izany indrindra, hoy izy, no mahatonga anay mirotsaka an-tsehatra manentana ny olona mba hifanampy sy hifanasoa. Maniry izahay ny amin’ny mba hifanampiantsika samy olombelona, isika samy malagasy ihany koa. Mitondra ny anjara birikinay izahay amin’izay vitanay. Ao ny fanentanana ny olona tsirairay hifanampy amin’ireny sahirana ireny. Ao koa ny hetsika karakarainay mba hitondran’ny tsirairay izay voatsirambin’ny tanana ho zaraina ho an’ireny tsy manan-kialofana indrindra ety anivon’ny fiarahamonina ireny. «Mii’zara hafanana» moa no anarana nampitondrana ny hetsika, izany hoe, mizara hafanana ho an’ireo tsy manan-kialofana eny an-dalambe rehetra eny, eny ambany tonelina rehetra eny, ny 3 aogositra hoavy izao izany no ho tanterahana ary hanentanana ny malagasy tsy an-kanavaka vonona hifanolo-tanana aminay. Eo amin’ny Citic Behoririka no hiainga ny hetsika, manomboka amin’ny 4 ora hariva satria ny hahatratra ireo olona tsy manan-kialofana matory eny an-dalana eny no tanjona. Miakatra an’i Tsiazotafo sy Analakely iny avy eo dia any amin’izay toerana rehetra mety ahitana sahirana eto Antananarivo ihany koa. Misy moa ny pejy Facebook azo hifaneraserana. Azo atao koa nefa ny manatona mivantana ny birao misy ny fikambanana ao amin’ny Citic Behoririka. Tanjonay ny hanasoa ny mpiara-belona. Tsy hoe mizara fotsiny ihany izahay rehefa mandeha mizara tahaka ireny fa mizara fahalalana ihany koa. Miezaka mampianatra an’ireo olona sahirana mba hahaizany miaina sy hihary anaty fiainana ihany koa hialany ao anaty fahasahiranana. Raha ny faniriana dia vahaolana maharitra no atao fa apetraka amin’Andriamanitra. Hetsika fanampiana amin’ny fidiran’ny mpianatra izao no atao aorian’izay satria iarahantsika mahalala fa be dia be izao ny ankizy tsy miditra am-pianarana. Tsy manana fahefana hampiditra ny zanany any an-tsekoly intsony ny ray aman-dreny noho ny antony tsy fisiana ara-bola, tsy fahampiana ara-pitaovana dia eto izahay dia efa manentana sahady ireo malala-tanana izay afaka hifanolo-tanana aminay hanolotra azy ireo fitaovana, eny fa na dia fitaovana efa niasa aza dia mety hahavonjy azy ireo amin’ity taom-pianarana hoavy ity, hoy hatrany ny Mii’zara.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT