Fikambanana Manampy

Hiroso amin’ny fizarana ireo anjara birikin’ny olompirenena


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Maromaro ireo hetsika tontosan’ny fikambanana na «association» Manampy, indrindra,

tamin’iny volana jona iny, hoy ny filohany, Ratsisetraina Ollie Ollie. Nomarihay manokana, hoy izy, ny iray volan’ny ankizy sy ny fetim-pirenena. Nisy ny fanangonana ireo izay foin’ny olompirenena ho an’ireo sahirana toy ny kiraro kely, ankajo kely, filàna an-davan’andro ho an’ny ankizy osa sy mahantra rehetra nandritry ny 3 herinandro. Noho ny antony ara-pahasalamana moa dia somary niato ny fizarana izany. Miitatra ankehitriny ny fahafantaran’ny olona ny Association Manampy sy ny asa sosialy ataony. Raha nanao antso fanangonana kilalao sy ankanjo tery amin’ny Carrefour Akorondrano izahay ny alahady 16 jona sy 23 jona ary alatsinainy 24 jona tontolo andro dia betsaka no tonga tany ary na efa tsy tany intsony aza izahay dia maro ireo niantso an-telefaonina nanatona ny trano misy ny mpikambana tsirairay avy. Nahazo zavatra maro ho zaraina amin’ny ankizy sahirana sy fianakaviana mahantra izahay, noho izany. Amin’io herinandro ho avy io, noho izany, no hirosoana ny fizarana ireo anjara biriky nentin’ny olompirenena ho an’izay mpiray tanindrazana sahirana izay. Manodidina ny ankizy miisa 150 eo no heverina fa tokony hisitraka ireo akanjo sy kiraro ary kilalao ireo. Ny fomba hitsinjarana azy angamba no haha betsaka na kely azy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT