Fikambanana Mamiratra

Namoaka mpiofana miisa 232


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Mpiofanana mikasika ny «Valée de chambre» na lehilahy mpikarakara efitrano sy «femme de chambre»

na vehivavy mpikarakara efitrano, ny fandrosoana sakafo, ny «crochet» na haizaitra, ny «call center» na tan-tsoroka amin’ny fifandraisan-davitra ary ny resaka fambolena miisa 232 no nisitraka fiofanana momba izany rehetra izany, araka izay safidiny avy, teo anivon’ny fikambanana AMA na «Association Mamiratra Antehiroka» ho amin’ny andiany faharoa tao anatin’izany fampiofanana maimaimpoana fanolotr’izy ireo izany, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny SK Mélodie Mandriambero moa izy ireo rehefa avy niofana nandritry ny 2 volana sy tapany sy nizatra asa tapa-bolana, hoy ny filohan’ny fikambanana Mamiratra, Andrianarivelo Toky Harilanto. Tanjona fototra amin’ny fanomezana fiofanana toy itony ny fanampiana ireo tanora, ireo olona efa very lalana, tsy mahita lalana aleha intsony, izany hoe hanome asa, hizara fahasoavana ho an’ny hafa ary hiezaka hanome tolotr’asa maro ho azy ireo, hoy izy. Ny dingana manaraka moa dia maro ireo orinasa sy ONG te hiara-hiasa amin’ny fikambanana, hisy ny fiofanana vaovao toy ny fampianarana sakafo koreanina sy fampianarana tenim-pirenena isan-karazany satria efa eo amin’ny 300 isa eo indray izao no te hisitraka izany ka izay tena hita hoe mazoto hatrany no ho raisina. Ekena fa maimaimpoana ny fiofanana fa rehefa tsy tonga in-droa ny mpianatra dia tsy mahazo mari-pahalalana na «attestation». Nisy nandalo tato amin’ny fikambanana no nikasa hividy izany «attestation» izany tamin’ny vidiny 2 tapitrisa Ariary saika hoe hiasany any am-pitan-dranomasina fa tsy nomenay satria mila mianatra raha te hahay! Tsy mivarotra mari-pahalalana ny fikambanana. Ankoatran’izay dia miady amin’ny tsy rariny, ny kolikoly, ny fanolanana ny fikambanana. Maro noho izany ireo asa miandry sy efa natao toy ny fampidirana mpianatra an-tsekoly, fampananana asa, fanampiana beantitra, fanamboarana tetezana, fanaovana lavadrano toy izay efa vita teny Antanetibe, Antsakambahiny, Ambohibao. Tezaina anaty vavaka koa ireo mpiofana satria zava-poana ny finoana tsy arahana asa, hoy hatrany ny fanazavan’i Andrianarivelo Toky Harilanto.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT