Fikambanana Mamiratra

Nahavita tetezana mirefy 280 metatra ao Antehiroka


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Tao anatin’izay 12 taona nisiany izay no nirotsahan’ny fikambanana na «association»

Mamiratra teo anivon’ireo fokontany miisa 9 ao amin’ny kaominin’Antehiroka, izay ahitana an’i Morondava, Ambohibao, Andranoro, Antsakambahiny, Antanetibe, Amboarohy, Antanamohitra, Ambohijanahary, Ankadivory, hoy ny fanazavan’Andrianarivelo Toky Harilanto, filohan’ny fikambanana. Raha nisehatra tamin’ny fanampiana ireo zaza sahirana izany teo aloha dia nivelatra tamin’ny fanampiana ireo tanora tsy an’asa sy ireo sahirana amin’ny ankampobeny mihitsy izany taty aoriana, hoy izy. Ankehitriny dia nahavita ity tetezana mirefy 280 metatra eo ity ny fikambanana, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny Happy B, izay rantsana anaty fikambanana Mamiratra ihany. Tao anatin’ny 1 volana teo no nanatontosana ny asa. Tetezana fandehanan’ny olona avy any Andramiarana mankaty Andranoro io. Tena sahirana ny olona nandeha teo rehefa avy orana ary be dia be ny zaza efa naratra teo. Maherin’ny 15 tapitrisa Ariary teo kosa no lany tamin’ny nanamboarana izany. Efa ela no nangatahan’ny mponina fanampiana hananganana io tetezana io. Ao anatin’ny fokontanin’i Morondrava moa eto fa Andramiarana kosa no anaran’ny toerana, hoy hatrany ny fikambanana. Aoka tsy hisy hilaza ho nahavita ity fotodrafitrasa ity, ankoatran’ny fikambanana Mamiratra, hoy kosa ny solontenan’ireo mponina nandray fitenenana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT