Nahatsiaro manokana ny andron’ny ankizy Afrikanina ny 16 jona 2015 ry zareo ao amin’ny fikambanana MamelaSoa notarihan’ny filohany Andrianavolona Railovy ka tonga nanolotra fanomezana manokana an’ireo zaza niisa 302 avy nanao fanadinana “CEPE BLANC” tao amin’ny sekoly katolika St François Xavier tao Manankasina Ambohimanga ao anatin’ny Zap Manankasina.
Natao indrindra izao hetsika izao ho fanamarihana ilay andro, hoy Rtoa Railovy, ary indrindra koa hanampiana ireo mpianatra rehetra fitaovana izay tsirambin’ny tanana toy ny Stylo, pensilihazo, gaoma ary fitsipika mba hahazoan’izy ireo miatrika tsy amin’ahiahy ny tena fanadinam-panjakana hatao ny 21 jolay ho avy izao. Nisaotra manokana ny fihetsiky ny fikambanana ny lehiben’ny Zap any an-toerana ka nanambara fa mahafa-pahasahiranana ny mpianatra sy manalefaka ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreniny izao nataon’izy ireo izao ary mba nanararaotra ny mba hijeren’ny MamelaSoa ireo mpampianatra ao amin’ny Zap Manankasina moa izy, amin’ny fikasan’izy ireo hiara-kitsangantsangana hiala vonkina kely any Ampefy mialoha ny fiafaran’ny taom-pianarana. Mbola nanambra moa Rtoa Andrianavalona Railovy fa tarigetran’ny fikambanana tarihany ny fijerena ifotony ny manahirana ny mponina ka mampifandry mivantana azy ireo amin’ny Mpamatsy tetikasa izy ireo ho fananganana fotodrafitrasa isan-karazany. Nohazavainy tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra izay tonga nanotrona ireo zanany tamin’ity fitsapana niraisana ity fa efa misy ny tetikasa Yocontigo Espérence Solidarité Internationale tantanana mpivady Franco-Norvégienne izay tonga manatona ny tantsaha indrindra indrindra manampy sy manoro hevitra azy ireo amin’ny manahirana azy avy. Misy koa ny fitsidihana ny Eco-village miorina any Tsaratanàna Ambohidratrimo ahafahan’ireo afaka mitondra fanazavana amin’ny mponina ny tena fikajiana ny tanàna sy ny tontolony ka tarihana hizaka tena izy ireo rehefa mahazo fanampiana sy fanohanana mandritra ny 10 taona.
Ntsoavina Evariste
SARY : Fikambanana MamelaSoa nahatsiaro ny ankizy teny Manankasina omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.