Actualités

Fikambanana Mahasoa teny Alasora Niavaka ny fety noho ny « Carnaval » sy Afomanga


  • Talata 30 Jona 2015

Niavaka ny hetsika fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena ny 26 jona 2015 nokarakarain’ny fikambanana Mahasoa notarihan’i neny Julia filohany teny amin’ny kaominina Alasora

. Na dia efa fanaon’ny fikambanana aza ny famalifaliana ireo ankizin’ity kaominina ity rehefa Asaramanitra tahaka izao nandritra ny roa taona nijoroany dia hafakely ny fisian’ny “Carnaval” nanakoako eran’ny tanàna sy ny fandefasana afomanga tena raitra tsy latsa-danja noho izay niseho teny Anosy. Afa-po ireo ankizy sy ny raiamandreny maro niaraka tamin’izy ireo. Hatramin’izay dia tsy afaka miakatra ny renivohitra izy ireo noho ny hoenti-manana tsy ampy. Nisy vaky vava mihitsy tamin’ireo zokiolona ireo raha nanontaniana fa tsy nisy fety nipoapoaka ohatr’izao teny Alasora hatramin’izay. Nisy hatramin’ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana. Misaotra ny fikambanana Mahasoa sy i neny Julia izahay, hoy izy ireo. Lehibe loatra ny fety tahaka ireny, hoy ity filohan’ny Mahasoa ity, ary tsapa fa tena anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka ka izany no nanomanana ireny hetsika somary natao “surprise” tamin’izy ireo teo ireny. Teny filamatra nentiny nitondrana ny hetsika ny avy amin’ny  Ohabolana 3: 27, manao hoe: “Aza mamihina ny soa amin' izay tokony homena azy raha azon' ny tananao atao ihany”. Hanao izay ho afany hanampiana ireo renim-pianakaviana hivoatra sy hahaleo tena amin’ny fiahiana ny fianakaviany ny fikambanana Mahasoa. Marihina fa efa mananika ny 8 000 ankehitriny ny mpikambana eo anivon’ity fikambanana ity.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT