Fikambanana Loharano

Mankalaza ny 20 taona nijoroany


  • Alakamisy 06 Martsa 2025

Mankalaza ny 20 taona nijoroany ankehitriny ny fikambanana Loharano,

hoy ny filoha mpanorina azy, Fitomiandalana. Misahana lafin-taranja hafa, hoy izy, ny fikambanana saingy manana ny anjara toerany manokana anatin’izany ny Kabary. Hisokatra tsy ho ela ny fankalazàna. Hisy famoaham-boky nosoratan’ny tena ao anatin’izany. Boky miisa 3 no havoaka amin’ity taona ity raha tahian’Andriamanitra. Any amin’ny volana aprily any no tokony hisokatra io fotoam-pankalazàna io ary any amin’ny volana desambra 2025 no ho faranana io satria desambra 2005 no nitsangana ny fikambanana. Dingana lehibe no vita tao anatin’ny 20 taona. Isan’ny efa voafidy ho filoha mpanorina ny VMPA na Vondron’ny mpikabary ankehitriny ny tenako. Ny fangatahana ny kabary ho isan’ny vakoka iraisampirenena tany anivon’ny UNESCO tany Frantsa dia isan’ny nanasonia izany ihany koa ny tena. Avy amin’ny fikambanana loharano koa no nahatongavan’ny tena teo anivon’ny Federasionin’ny teny sy ny soratra. Boky miisa 4 izay no efa navoakan’ny fikambanana Loharano. Hivoaka amin’ity taona ity indray ny boky miisa 3, izany hoe miisa 7 izay ny boky navoaka, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT