Fikambanana lanitra vaovao sy tany vaovao

Nanatanteraka ny diaben’ny fahaleovantena


  • Alakamisy 05 Jona 2025

Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny

governemanta sy ireo andrim-panjakana isan-tsokajiny ny fikambanana Lanitra vaovao sy tany vaovao omaly. Fikambanana tsy miankina iray miparitaka manerana izao tontolo izao, izay mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny sehatra rehetra rehefa mikasika ny fanasoavana ny firenena sy ny fiaraha-monina. Niainga teny Ambohijatovo, niodidina ny farihin'Anosy ka nifarana teo amin'ny kianjan'i Barea moa izany diabe izany. Teo an-toerana dia nisy ny fametrahana dian-tanàna tamin'ny saina lehibe izay hevitra niainga avy amin'ny fikambanana ihany. Tsotra ny tanjon'izy ireo ny amin'izany dia ny hanehoana ny maha iray ny Malagasy manomboka amin'ny mpitondra ka hatramin'ny olon-tsotra tsy ankanavaka na dia mizarazara ho foko 18 aza ny fiaviana, na zarain'ny firehana sy kolontsaina maro samihafa aza dia sainam-pirenena Malagasy iray ihany no hita amin'ny dian-tànana, hoy ny fanamarihana. Ny saina misy ny dian-tanàna moa dia marika enti-maneho ny fitiavana sy fahavononan'ny tsirairay avy hanolo-tànana ho an'ny fampandrosoana miaraka ny firenena. Nambaran'izy ireo fa tahaka an'Andriamanitra izay tia ny olona rehetra ka nanome mamaim-poana ny masoandro sy orana ho an'ny olona rehetra, dia te hizara izany fitiavana izany amin'ny Malagasy rehetra izy ireo ary hampiray ny Malagasy amin'ny fifankatiavana ihany koa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT