Fikambanana Hasin’ny Zazamanga

“Diovy i Mahamasina ialana amin’ny faty olona mikararana!”


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Amin’ny maha mpandala ny nentin-drazana ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga dia zava-dehibe aminay ny fanabeazana,

hoy ny filohan’izy ireo, Sarobidy Rakotondravao. Efa ela izahay no nanao antsoavo amin’ny tomponandraiki-panjakana, mpitarika fikambanana, ONG rehetra mba hijery akaiky ity fidiran’ny mpianatra ity satria iaraha-mahalala ny fahasahiranana eto amin’ny tany sy firenena mahazo ny ray aman-dreny, hoy izy. Miakatra ny saram-pianarana sy vidin’ny fitaovam-pianarana. Be dia be no miresaka sy manao ny tokony ataony amin’ny zavatra hafa. Raha azo atao dia aleo re alefa any amin’ny fanabeazana ny vola alefa amin’ny fandanindaniam-poana rehetra! Isika olompirenena notahian-janahary afaka manampy na dia olona iray sy roa aza dia efa mba miha maivana ny fahasahiranan’ireo sahirana. Aza manenji-dresy fa andao hifanohana sy hifanampy! Ny Hasin’ny Zazamanga moa nitondra ny tsirambin’ny tanany tamin’ny alalan’ny fizarana fitaovam-pianarana isan-karazany. Miondrika am-panajana manoloana ireo fianakaviana nanana namoy aina sy mirary fahasalamana ho an’ireo naratra tamin’ny loza nitranga teny Mahamasina farany teo ny Hasin’ny Zazamanga. Samy malagasy isika. Efa nisy ny faty olona nikararana toy ireny tao Mahamasina fa tsy voalohany iny. Nisy ota fady tao amin’io toerana io. Diovy Mahamasina ialana amin’ny faty olona mikararana toy ireny. Namonoan’ny sinoa osy mainty tao. Diovy Mahamasina rehefa vita ny lalaon’ny nosy. Matetika tsy maintsy misy vono omby rehefa aorian’ny loza toy ireny mba hanadiovana ilay toerana. Miantso ny mpitondra fanjakana sy ireo raiamandreny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT