Actualités

Fikambanana FIFATA Nahatsiaro ny «Vitrine» teny Iavoloha tamin’ny andron-dRavalomanana


  • Talata 19 Aogositra 2014

Tsy mbola afaka ao an-tsain’ireo tantsaha maro mivondrona ao amin’ny fikambanana FIFATA ny fanomezan-danja ny tantsaha tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Nambaran’izy ireo mantsy fa tsy mbola laharam-pahamehana loatra eto Madagasikara ny tontolon’ny fambolena, indrindra taorian’ny krizy.

Notsiahivin’izy ireo fa tokony hisy fampiofanana ho an’ny tantsaha hahafahana mamerin-danja ny tontolon’ny fambolena. Mbola misedra olana maro mantsy, hoy izy ireo ny mpamboly dia eo ny tsy fisian’ny tosika ho an’ity sehatra ity avy amin’ny fanjakana, eo ihany koa ny olana amin’ny lafiny tany. Nandritra izay 25 taona nisiany izay anefa dia niezaka ny fikambanana FIFATA nitondra ny anjara birikiny ho fampiroboroboana ny tontolon’ny fambolena. Nanambara ny filohan’ny fikambanana Atoa Rakotovao Rolland raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly fa tanjon’izy ireo ny hahatonga ny mpamboly Malagasy ho matihanina ka afaka mifaninana amin’ny vokatra avy any ivelany ary ho anisan’ny sehatra mitondra fandrosoana ho an’ny firenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT