Nosokafana sy natomboka ny alarobia 3 may 2023 ary nitohy omaly alakamisy 4 mey 2023 ny didipoitra faobe 2023 tontosain'ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI-5
izay tarihin'ny filohany Hanitriniala Raholdina, iarahana amin'ny Clinique Fidy Ambatomainty. Zazalahy an-jatony no noforaina tamin'izany ka maimaimpoana daholo ny fanatanterahana izany ary mbola nozaraina kilalao sy bisikoitra ary vatomamy sy ny toy izany ireo zaza, hoy ny fampitam- baovao voaray. Ny Ray aman-dreny kosa dia nozaraina filana an-davan’andro na PPN toy ny savony, menaka, vary, macaroni. Efa 18 taona teo no niarahan'ny Dr Fidy sy ny fikambanana Fanantenana FAFI-5 niasa raha efa 23 taona mahery no nanampy ny sahirana izy mivady. Izao no natao dia mba hanampiana ny sahirana satria sady ara-pomba malagasy no ara-pahasalamana ny didipoitra. Miasa sy manasoa vahoaka no filamatry ny fikambanana. "Aza manao kely tsy mba mamindra" ka mitohy ihany ny asa sosialy ataon'ny Fanantenana FAFI-5 tarihin'ny filohany, Hanitriniala Raholdina, hoy hatrany ny hafatra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.