Actualités

Fikambanana croix rouge Malagasy Nizara sakafo ho an’olona sahirana 50 teto an-drenivohitra


  • Talata 09 Mey 2023

Manohy ilay teny filamatrany hatrany ny fikambanana « Croix rouge » entina hanamaivanana ny fanaintainan’ny mpiara-belona .

Noporofoiny tamin’ny alalan’ny fizarana sakafo ho an’ireo olona sahirana miisa 50 izany omaly tetsy amin’ny Parvis Analakely.Raha araka ny fantatra moa dia mahatratra 10.000 isa ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny « Croix rouge malagasy » amin’izao fotoana izao raha 120 ny isan’ny mpiasa raikitra ankehitriny, miparitaka manerana ny faritra 23. Nanampy sy nanome tanana ireo olona marobe lasibatra nandritra ny fandalovana rivo-doza nisesisesy tany Morondava sy Mananjary koa izy ireo. Ankehitriny indray manomboka ny tetikasa Miarina izay, fanampiana ara-bola sy fanomezana masomboly, fanomezana asa ary fanomezana biby fiompy hahafahan’ireo tena sahirana mivelona. Mahatratra 10.000 ny olona mahazo tombony amin’ity tetikasa ity izay haharitra enim-bolana. Nankalazaina omaly ny andro irasam-pirenena ho an’ny « Croix rouge ». Nifanindry an-dalana tamin’izany ny fankalazana ny faha-60 taonany izay narahina fandraisaa mpikambana vaovao. Nisy nandritra izany ny fizarana mari-boninahitra ho an’ireo mpikambana tena nahavita be.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT