Fikambanana AVOTRA,

Distrikan’Ambohitratrimo Fambolen-kazo no nanamarihana ny andron’ny vehivavy


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Toy ny isan-taona, fambolen-kazo no nentin’ny vehivavy avy

amin’ny distrikan’Ambohidratrimo mivondrona ao anatin’ny fikambanana AVOTRA na Andry sy Vonjin’ny rehetra, nanamarika ny andron’ny vehivavy, izay nomarihina ny faran’ny herinandro teo. Zanakazo kesika sy kininina miisa 1000 fototra no novolena tamin’ity hetsika ity ho fandraisana anjara amin’ny adidy ho an’ny firenena dia ny famerenana ny tontolo ho maitso noho ny fahatsapana fa tena sola ny tany no niaingan’ny hesika. Arahana fanaraha-maso izany mba tsy ho very maina ny ezaka atao, hoy ny filohan’ny fikambanana Rafenomanana Oniarisoa Fenitriniaina ka ametrahana mpiambina sy mpikarakara isaky ny kaominina nolalovana. Tsy tokony ho tsinontsiniavina ny vehivavy fa mitondra antoka maro ho amin’ny fampandrosoana, hoy ny fanazavany. Manome ohatra izany ny fisian’ny fiandraiketana lehibe sahanin’ny vehivavy amina sokajin’asa rehetra, hatrany amin’ny fitondrana firenena. Ilàna fandraisana andraikitra mafimafy kokoa ny fampiharana ny lalàna amin’ny herisetra mianjady amin’ny zaza amam-behivavy, izay nanomboka niseholany tato ho ato, hoy hatrany ny antso nataon-dRafenomanana Oniarisoa Fenitriniaina Filohan’ny Fikambanana AVOTRA.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT