Actualités

FIKAMBANANA ASA FA TSY KABARY Nanome fiofanana ho an’ireo tanora tao Mahajanga


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Tsy nanadino ireo tanora tao renivohitra Boeny izay foiben’ny ny fikambanana AFAKA (Asa fa tsy Kabary) ny mpikambanana ka nanome fiofanana maimaimpoana momba ny fahaizana mitarika sy ny famoronana asa ho an’ny tanora izy ireo ka tsy hanavahana sokajin-taona.

Raha tsiahivina dia 72°/° ny tanora Malagasy no tsy an’asa ka izay no antony nahatongan’ity fikambanana ity nanolotra io fiofanana  maimpoana ho an’ny tanora io. Misy ny paikady nomena afahana mamorona asa sy afaka azahoan- bola haingana ka ao anatin’ny fiofanana nomena an’ireo tanora no hamantarana an’ireo tanora izany. Haharitra efatra andro ny fiofanana ka tanora 200 mahery no tonga namaly ny antso ny andro voalohany tamin’ny fanokafana ny fiofanana tao amin’ny centre Don Bosco Mangarivotra. Ny mpikambana ao hatrany no mampiofana ireo tanora ka samy nanazava ny tena antony tsy azahoan’ny tanora sasany asa ankehitriny ireo nandray anjara fitenenana. Nezahin’ireo mpikambana ny hanome fiofanana maimpoana ho an’ny tanora manerana an’i Madagasikara mba ahafahan’ireto farany miasa sy miatrika ny fiainana andavanandrony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT