ny fananana kopia»
Ao anatin’ny tetikasa sora-piankohonana sy fampananan’asa iarahan’ny fikambanana Andrimaso sy ny Firaisan’ireo firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay, izany hoe, OIF, dia navondrona teny amin’ny Ekar Md Jérome Anosibe, omaly, ireo mponina mila izany eny Anosibe andrefana, Anosizato andrefana, ny eny amin’ny Fokontanin’ny Volamiray. Fitaovana iray entina hanomezana asa olona iray ny sora-piankohonana, hoy ny fanazavàn’ny avy eo anivon’ny Andrimaso. Tsy afa-mampivelatra ny asany ny olona rehefa tsy manana kopia sy kara-panondro. Omena kopia ireo tsy manana izany ary omena fampiofanana ihany koa, hoy ny fikambanana, ahafahany mioitra. Boriboritany miisa 2 no nanaovana ny fanentanana ary miroso amin’ny fampiofanana isika izao. Manodidina ny 40 isa eo ireo nisafidy hiofana momba ny mofo sy mofomamy na «patissérie» raha toa ka 30 no miofana momba ny savony. Miankina amin’ny filàn’ireo olona ny fiofanana omena azy fa ny zava-dehibe dia hoe hery manosika fihariana ny fananana kopia. Fiofanana mandritry ny tontolo andro no atao ary misy ny fampitaovana omena ireo mpiofana ankoatran’ny fanomezana azy kopia ahafahany miatrika avy hatrany ny tontolon’ny asa sy mampivelatra izany. Mbola betsaka ireo tsy manana kopia. Any an’elakelan-trano any, mbola betsaka ny ankizy tsy afa-mianatra noho izany ary maro amin’ireo tanora anelanelan’ny 18 hatramin’ny 35 taona tafiditra anatin’ny tetikasa koa no mbola tsy manana, hoy hatrany ny fanazavàna. Naneho ny fankasitrahany ny tetikasa, tetsy ankilany, ireo mpandray anjara. Mandeha sy vola haingana ary hahafahana mamelona ankohonana amin’izao fotoana izao ny tontolon’ny «patissérie», hoy ny iray tamin’ireo mpiofana.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.