Tafatsanga ary voatokana ofisialy omaly alatsinainy 23 jona ny rantsan’ny fikambanana Ambalambahoaka any Ambatolampy Vakinankaratra tarihan’ny pasitera Andriamampianina
Sombin’ny Aina Bruno ampian’ny olona 8 miandraikitra ny birao vonjimaika izay mijoro araka ny fotokevitra fijerena sy famahana ny olana ankapobeny mianjady amin’ny vahoaka ary koa ny tsindry hazo lena mihatra aminy. Raisiko ny andraikitra, hoy i pasitera Bruno, fa na dia olon-tsotra aza aho dia hanao izay ho afako amin’ny fitsinjovana ny vahoaka amin’ny tsy fananana asa sy mbola fieritreretana hanafoanana ny asa fanaovam-bilany iantsorohan’ny 80%-n’ny mponina aty, ny fanaovana ampihimamba ny taniny, ny fijerena ny hoavin’ny taranaka ara-pianarana. Nanome voninahitra ny lanonana ny birao foiben’Ambalambahoaka notarihan’ny filoha nasionaliny Randrianatoandro Jules izay nanolotra nivantana ny fanevan’ny fikambanana ho an’ny pasitera Bruno. Tazana tao koa ny filoham-boninahitry ny Ambalambahoaka Rakotonandrasana Gilbert (Bebert). Teny fanentanana heno ombieny ombieny omaly ny hoe : tariho hiditra ao am-bala ny olona hahafahana mijery sy manampy azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.