Actualités

Fikambanana ADS Mitaky ny fahaleovantenan’Ampasika


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Tontosa ny sabotsy teo tetsy amin’ny foibeny etsy Anosimasina ny fifampiarahabana tratry ny taonan’ny fikambanana ADS na “Abattoir dynamique solidarité”.

Fotoana ihany koa anefa izao, hoy ny filohan’izy ireo, Lova Andrianjaka, hitaterana ny hetahetan’ny vahoaka ety. Soloinay tena izy ireo satria saika efa mpikambana ato avokoa, hoy izy. Fikambanana tsotra ny ADS ary mifototra amin’ny fitandroana ny filaminana, ny asa soa, fahasalamana asa sosialy. Te hilaza ankehitriny ny ADS hoe tery loatra ity toerana ity. Efa nisy fotoana tonga teto ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny depiote, minisitry ny atitany, ny tomponandraikitry ny kaominina. Hitan’ireo fa miha maro ny olona mipetraka eto. Nisy fotoana nangatahan’ny fokonolona ny hizarana ity fokontany ity ho 2. Anosimasina izao no mitondra ny eto Ampasika nefa ny isan’ny olona mipetraka eto izao efa miisa 45.000 ary tena tery dia tery. Mitovitovy amin’izay koa ny an’ny fokontanin’Anosimasina. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ary tsy azo tsinontsiniavina ny valanaretina. Sarao amin’Ampasika I Anosimasina. Misy vakim-paritra miisa 4 I Ampasika ary efa mahazaka kaominina dia Ampasika atsimo, Ampasika avaratra, Ampasika andrefana, Ampasika afovoany. Misy vaky trano foana eto isan-kalina. Misy fanendahana isaky ny harivariva. Tsy dia maharaka intsony ny isan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana. Anosimasina misy an’Anosimasina, Ambohikely, Ankadilalana. Mbola miantso ireo 18 taona no mihoatra eto moa izahay hanatevina ny fikambanana satria iraisantsika ny tolona ato ary niforona niainga tamin’ny asa nifotorantsika ity dia ny abatoara fa ilaina ao anatin’izany indrindra koa anefa ny fandraisana anjara amin’ny alalan’ny hetsika atao sy firaisankina, izay maha ADS ny ADS, hoy hatrany ity fikambanana ity mitaky ny fahaleovantenan’Ampasika.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT