Fikambanan'ny Terak'i Androy eto Madagasikara

Nifona ho an’ny kolonely Mickael mba hamoahana azy…


  • Talata 05 Desambra 2023

Raha mbola amin’ny 16 Janoary 2024 ny fitsarana an’ireo kolonely roa nampidirina vonjimaika eny Tsiafahy

izay notondroin’ny Fanjakana ho nikasa hanongana azy tamin’ny alalan’ny fikomiana ara-miara-miaramila, dia manao ranolava ny fitakiana famoahana. Ny kolonely Mickael Randrinirina no tena anaovan’ireo mpiray fihaviana aminy an’izany, ka ny faran’ny herinandro teo dia efa nampiaka-peo ireo Raiamandreny sy olobe avy amin’ny Faritra Androy. Nananaraka izany ny Fikambanan’ny mpianatra Terak’Androy ao amin’ny Oniversiten’i Toliara izay nanome fe-potoana 48 ora mihitsy. Omaly nampiantso mpanao gazety nitondra fifonana ho azy eo anivon’ny fanjakana ireo Raiamandreny avy amin’ny faritra Androy sy ny Fikambanan'ny Terak'i Androy eto Madagasikara na FITEA-M nahitana an’Atoa Maka Alphonse Filohan’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na CFM teo aloha. Angatahin’izy ireo ny fahatsoram-pon’ny Fanjakana mahefa mba hamela heloka an'ny kolonely Mickael. Anjaran'izy ireo ny hananatra azy raha toa nisy ny tsy nety nataony, hoy ireto mpiaro azy ireto, antony nahatonga azy ireo nangataka famelan-keloka. Izao ihany koa no natao, hoy izy ireo, dia ny mba hanehoana fa miray hina tanteraka ny zanak'i Androy na samy hafa aza ny firehana misy ny tsirairay. Nitarika azy ireo nanao io fangatahana famelana io moa Atoa Goulamaly na Baba Tea Longo Filoham-boninahitra ny FITEA-M, ny Filohan’ny « CFM » teo aloha Atoa Maka Alphonse sy ny filoha lefitry ny FITEA-M niampy ny mpanonlotsaina an’io fikambanana io. Hamaly ny fangatahan’izy ireo ve ny Fanjakana ankehitriny ? Hamaly ihany koa ny fangatahan’ny fianankavian’ireo gadra politika izay maro ny marary any am-ponja ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT