Actualités

Fikambanan’ny mpampiasa rano : Nanao tolo-tanana ny Unicef


  • Zoma 26 Febroary 2010

Araka ny lalŕna mifehy ny rano dia misy sandany izany hoe andoavam-bola ny rano tovozina na alaina amin’ny fantsakan-drano ho an’ny daholobe. Anjaran’ny fikambanan’ny mpampiasa rano kosa no mifidy olona iray hitantana ny paompy eo amin’ny faritra misy azy.

 

Manome fiofanana ireto farany momba ny fitantanana ny rano sy ny paompy kosa no anjara andraikitry ny BMH. Ankoatra izay dia mampianatra azy ireo ny fomba fitandroana ny fifindran’ny tsimokaretina amin’ny alalan’ny rano koa ity sampandraharaha eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra ity. Ankoatra ireo mpitantana rano dia omen’ny BMH fiofanana momba ny rano fisotro madio sy ny fikajiana azy koa ireo mpanentana ara-tsosialy eny anivon’ny fokotany. “Manana anjara andraikitra ny mampita amin’ireo mpanjifa maimaimpoana ny fiofanana norantoviny ireo mpanentana ireo satria miantoka ny fahasalaman’ny mponina izany”, hoy ny Dr Raharinandrasana Hajatiana. Rehefa vita izay fiofanana izay dia zaraina ireo fitaovana enti-manatanteraka ireo asa. Miandry azy ireo ny fikambanan’ny mpampiasa rano sy mpanentana ara-tsosialy. “Kits sur’eau” sy “kit wash” ahitana zinga, savony, petadrindrina ary “jerricane” miisa 4000 avy ary no natolotra ireo tompon’andraikitra mitantana ny rano eto an-drenivohitra ka omaly no nozaraina tetsy anivon’ny BMH Isotry ny anjaran’ireo fikambanana mpampiasa rano 70 sy mpanentana ara-tsosialy 120 avy eo anivon’ny boriborintany voalohany raha efa nahazo ny anjarany avy ny distrika hafa eto Antananarivo renivohitra. Fiaraha-miasa amin’ny unicef moa no nahazoana ireto fitaovana ireto
 

Yves  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT