FIKAMBANAN'NY KRISTIANA ZANAK’ANKADIMBAHOAKA

Nanohana ireo marefo ao amin'ny SaFiFaA Ampandrana


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Nisitraka tohana ara-tsosialy ireo olona marefo eo anivon'ny

SaFiFaA na Sampana Fiarovana sy Fanarenana ny Anjorombala, noho ny fahafoizan-tenan’ny Fikambanan’ny Kristiana Zanaka Ankadimbahoaka SPAA11. Teny amin’ny Gilpin Ampandrana no nanatanterahana ny fanolorana ny fanampiana ny faran’ny herinandro teo ka olona am-polony no nisitraka izany. Fotsim-bary, menaka, sira, laoka, sakafo, fitaovam-pianarana, boky, ….no natolotra tamin’izany.Tsy vao sambany no nanatanteraka asa fiantrana tahaka izao ny fikambanan’ny Kristiana Zanaka Ankadimbahoaka, fa efa fanao izany.Fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy ny hetsika toy izao, hoy ny mpitandrina miandraikitra ity ivon-toeram-panarenana ity, Rtoa Randrianasolo Helinirina Malala Ny Aina, izay nisaotra manokana ireo mpiara-miombon’antoka. Nanao antso fanentanana izy ny mba hitsinjovana hatrany sy ho tonga hamangy ireo ankizy voahiliky ny fiaraha-monina nahazo tombontsoa ireo, indrindra fa ireo tsara sitrapo.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT