Nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Fikambanam-behivavy
« RARY » amin’izao ady atrehan’ny firenena amin’ny valanaretina « Coronavirus » izao. Nanolotra arotava miisa 5000, arotava miisa 3000, mitentina eo amin’ny 20 000 000 Ariary eo izy ireo, ho fampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana hahafahany miaro tena sy manatanteraka am-pilaminana ny andraikitra goavana sahanin’izy ireo.Nankasitraka izao fihetsika izao ny ministeran'ny fahasalamana ary manentana hatrany ny rehetra hanaraka ny fepetra ho fisorohana ny fiparitahan'ny valanaretina Coronavirus.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.