Fihinanana trondro nisy poizina

Zazalahy 12 taona namoy ny ainy


  • Talata 24 Jona 2025

Nisehoana fahapoizinana ara-tsakafo mahatsiravina indray ihany koa tao amin’ny

kaominina ambanivohitra Anosiala, distrikan’i Manakara, faritra Fitovinany. Tranga nahafaty zazalahy kely iray sy faharariana olona telo hafa, voatery nentina amin’ny hopitaly. Antony ny fihinanana trondro poizina. Araka ny loharanom-baovao, trondro karazana Bontana (anarana siantifika: Canthigaster valentini), fantatra amin’ny anarana hoe Botala, no nihinana ka niteraka fanehoan’ny vatana fanafintohina tampoka. Araka ny voalazan’ireo nanatri-maso, tsy nisy nahafantatra ny mety ho fiantraikan’ilay trondro ireo fianakaviana. Tsy ela taorian’ny fihinanana dia niseho ny soritr’aretina toy ny fanina, fanaviana, ary fahasemporana, ka voatery nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo. Indrisy anefa, tsy tana intsony ny ain’ilay zazalahy 12 taona. Mampanahy fatratra izao tranga izao, indrindra amin’ny fotoan’ny fahavaratra sy fahadiovan-drano voajanahary ambany, izay ahafahan’ny trondro sasany mitahiry poizina mahafaty ao amin’ny nofony. Manentana ny manampahefana sy ny mpitsabo ny mponina mba ho mailo amin’ny fisafidianana hazan-dranomasina, indrindra raha tsy fantatra tsara ny karazany.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT