Fihinana katy matetika

Mampiakatra ny tosi-drà sy ny fitempon’ny fo


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Teratany malagasy miisa roa ,lahy sy vavy, mbola tanora (28 taona)

no nosamborina tao amin'ny seranam-piaramanidina, tatsy amin'ny nosy Maorisy, ny alahady hariva teo. Nahatrarana katy milanja 440 grama tao anaty entan'izy mianadahy. Tombanan’ny fadintseranana Maorisiana ho Rs 500 000 na 48 tapitrisa ariary ireo katy ireo. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy ireo. Anisan’ireo zavamaniry sokajiana ho zava-mahadomelina ny katy ary raha ry zareo Maorisiana aloha dia tena sarotiny ny amin’ny hampidirina izany ao amin’ny taniny. Any amin’iny faritra avaratr’i Madagasikara iny moa dia amidy ohatry ny anana eny an-tsena ary talaky maso tsara ny katy, tsy misy teritery na fanenjehana ary na lahy na vavy , na ankizy na tanora na efa zokiolona dia mitsakotsako azy avokoa. Efa tonga anya mina faritra hafa eto amin’ny nosy ihany ko aizy io , raha eto Antananarivo ohatra dia iny faritr’i 67 ha iny no tena misy ireo mpivarotra azy. Raha ara-tantara dia avy any Yemen sy Etiopia no nahafantarana voalohany ny fihinanana katy ; nambara tamin’izany efa taloha ela be izany fa manala havizanana ny katy. Tsara ho fantatra anefa fa ny fihinanana azy isan’andro dia mampiakatra tosidra sy ny fitempon’ny fo, manafana be ny vatana ary miteraka fiankinan-doha. Mety hitarika fikorontanan-tsaina ihany koa ny katy ary mahatonga ny olona iray ho lahery fihetsika sy tia setrasetra. Izany no antony anasokajiana azy ho zava-mahadomelina, izany hoe miteraka voka-dratsy ho an’ny vatan’olombelona na ho ela na ho haingana. Asa aloha izay tena ho ataon’ny fanjakana Malagasy fa raha raisina tokoa ho zava-mahadomelina ny katy izany hoe voararan’ny lalàna ny fihinana sy ny famarotana azy , dia mety tsy homby ny fonja misy isaky ny distrika indrindra fa any amin’iny faritanin’Antsiranana iny.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT