Araka ny tatitry ny fanadihadiana EHTM natao ny volana jona lasa teo, 10, 1%n` ireo tokantrano no nanambara fa very asa vantany vao nanomboka ny fihibohana
ny volana martsa lasa teo. Sehatra efatra no tena nizaka ny vokan` ny aretina COVID-19. 61% dia misehatra amin` ny fizahan-tany, 38% fitaterana, 13,8% misehatra amin` ny fanodinana akora sy famokarana ary 12,8% eo amin` ny varotra. An-tanan-dehibe no tena ahitàna izay lafiny ratsy amin` ny sehatry ny asa izay raha oharina amin` ny tontolo ambanivohitra. Noho izany, tsy dia nahitàna voka-dratsy ny sehatry ny fambolena raha ny tatitra hatrany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.