Actualités

Fihetsiky ny fitondrana tato ho ato Fomban’ny tsivalahara aty Afrika, hoy ny Otrikafo


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Rehefa akaiky fifidianana tahaka izao, hoy ny filohan’ny antoko politika Otrikafo, Andrianjaka Rajaonah, dia matetika misy foana ny fomba fanao maloto tahaka izay nataon’ny fitondram-panjakana tato ho ato.


Ireo heveriko fa mpitondra tsivalahara aty Afrika no tena mpanao an’io. Io no fanazavana nentin’ity filoha ity mikasika ny resaka fikasana nikitika ny lalàmpanorenana nataon’ny fitondrana izay efa nasolo ny fametrahana ny tanana an-kavanan’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, Rivo Rakotovao, eo amin’ny toeran’ny filohan’ny antenimierandoholona indray ankehitriny. Ny hanitatra ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena no saika natao tamin’ny alalan’ny fikitihana ny lalàmpanorenana, raha ny nambarany, mba hahafahany mampiasa ny hery rehetra eo am-pelatanany ka hananany tombondahiny mihoatra ny kandida hafa rehetra sy avy hatrany dia hibatany ny fandresena. Nisy faneren’ny sehatra iraisam-pirenena ihany nefa tao ka tsy afa-nanoatra ny fitondrana fa naleony mametraka olona azo hitokisana fa handany azy amin’ny 2018 eo amin’ny toeran’ny filohan’ny antenimierandoholona. Nanana ny fomba fandaminany izay tsy misy manana ankoatra azy izay efa in’efatra ny taona 1972, 1991, 2002 ary 2009 notontosaintsika anefa ny Malagasy ary ahiana hiverina raha manohy izao fampahantrana vahoaka izao ny fitondrana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT