Fihetsiketsehana noho ny delestazy

Olona 7 nohelohina 6 volana sazy mihantona


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

Nilatsaka ny didy ! Nohelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sazy mihantona 6 volana ireo olona miisa 7

voasaringotra tamin’ny raharaha fihetsipketsehana teny Ambohipo ny 21 oktobra lasa teo. Raha hiverenana, nisy ny fihetsiketsahana nataon’ny olona teny an-toerana naneho hatezerana noho ny olan’ny jiro sy rano izay tena nampikolay vahoaka. Nisy olona 10 nosamborina taorian’izay, ary nisy 4 nidoboka am-ponja vonjimaika. Nandeha ny fampitandremana samihafa nataon’ny mpitandro ny filaminana, nivoaka ny didy avy amin’ny Prefektioran’Antananarivo tamin’ny alalan’ny «réquisition» hihetsehan’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany raha vao misy fihetsiketsehana,… Dia io ihany koa fa milatsaka ny didy ho an’ireo voasambotra tamin’ny fihetsiketsehana, ka fanakorontanana filaminam-bahoaka, famotehana fananana iombonana, fanimbana fananan’olon-tsotra, faniratsirana mpitandro filaminana,… Izay aloha izany ny didy mikasika iny raharaha iny, izay mety mbola hisy ny fampiakarana. Voapanga ireo olona nanao fihetsiketsehana fa mba manao ahoana kosa ny fananam-bahoaka potika sy rava noho ny delestazy ? Ny fihariana maro samihafa nitotongana ? Inona no antoka sy porofo mitombona fa tsy hiverina intsony ny olana samihafa mikasika ny delestazy ? Ny zava-misy ankehitriny aloha, dia manomboka miharihary fa mikatso ny vahaolana vonjy tavanandro hoentina hampiodinana ny Jirama amin’ny alalan’ny famoahana volabe tsy toko tsy forohana izay asa na manomboka kely ny eo am-pelantanana na ahoana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT