Fihetsiketsehana no be dia be

Miverina hatrany ny fako be


  • Talata 23 Jolay 2024

Tsy mety tafala fa miverina hatrany ny fako be eto Antananarivo, raha ny hita ankehitriny indray.

Na teo aza ny fampanantenan’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Richard Ramanambitana, ny amin’ny hamahana ny olana eo amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasan’ny kaominina misahana ny resaka fako sy ny mikasika ireo fanonerana hafa mbola tsy voaloha rehetra natao makotrokotroka tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, volana vitsy lasa izay, dia hita ho fihetsiketsehana no be dia be fa miverina hatrany ny fako be hatreto. Isan’ny tsy zaka moa ny manamorona ny fiantsonam-piara fitateram-bahoaka etsy Analakely, izay misavovona dia misavovona. Toy izany koa ny hiakatra an’i Mascar sy ny etsy Amboditsiry manolona ny farmasia. Ny etsy 67ha, izay manoloanana toeram-pisakafoana na «restaurant» mihitsy. Ny etsy Avaradoha koa aza miha miverina mitady hibahana arabe indray sy ny hafa maro tsy voatanisa. Hahagaga tokoa ve i Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara, raha ho voasokajy ho tanan-dehibe voretra indrindra eo amin’ny sehatra iraisampirenena?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT