Fihetsiketsehana mikasika ny vahaolan’ny delestazy

Tsy hay intsony na hanaronana ny raharaha volamena…


  • Alakamisy 31 Oktobra 2024

Tsy hay intsony na hanaronana ny raharaha volamena izay hita ho mampifanolana ny filoham-pirenena

malagasy, Andry Rajoelina, sy ny filoham-pirenena kaomorianina, Azali Assoumani, amin’izao fotoana izao ity fihetsiketsehana mikasika ny vahaolan’ny delestazy sy tsy fisian-drano eto amin’ny firenena ity. Hatramin’ny omaly no hita miodinkodina etsy sy eroa miaraka amin’ny minisitry ny angovo, Olivier Jean Baptiste, ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, saingy hatramin’izao dia io tsy mbola ahitana vahaolana maharitra io foana aloha ny toe-draharaha. Tsy ny raharaha volamena 50kg hita tatsy kaomoro ny taona 2021 ihany rahateo no lasa nifoha sy voaresaka fa rehefa nety ho raharaha volamena very an-javony rehetra teto amin’ity firenena ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny hoe 73,5kg sy ilay tanatina biraona minisitra nodimbiasana praiminisitra nefa nivadika vy. Akaiky rahateo moa ny fifidianana ka zary efa lasa hita ho politika maloto nalaza ny famongarana sy fomoronana mihitsy aza dosie momba ireo afera malotona mpanao politika vaventy, na avy amin’ny fitondrana io na ho an’ireo ivelan’ny fitondrana toy ny mpanohitra sasany. Eo dia samy mifanasa vangy sy mifanaratsy eo. Hamorona aza atao, hoy ny fomba fiteny tato ho ato izay. Ny raharaha volamena no voaresaka androany. Ny raharaha andramena no tany amin’ny 14 na 15 taona lasa. Efa nandalo teo daholo koa anefa ny raharaha voamboana, ny vola iray baoritra, «bonbon sucette», ny «écran plat», ny sokatra sy ny gidro ary ny tariny rehetra. Sarotra ho an’ny tantara ny hamafa izany rehetra izany na dia heverina ho henatra ho an’ny firenena aza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT