Fihetsika mamoafady tamin’ny zaza tsy ampy taona

Mpanao politika iray nidoboka am-ponja


  • Alarobia 08 Mey 2024

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonantsary sy resaka naneho raim-pianankaviana antsoina hoe R….

voalaza fa nanodinkondina zaza tsy ampy taona. Voatonontonona ho mpikambana sy mpitarika mihitsy ao anatin’ny T…, fikambanana mpiara-dia amin’ny fitondram-panjakana ary manana kandida ao amin’ny Boriborintany faha-4 izy io. Raha ny vaovao azo, dia nandalo fampanoavana omaly tolakandro ity raim-pianankaviana ity, ary nidoboka am-ponja vonjimaika, ka amin’ny 7 jona izao no hotsaraina. Lehilahy manodidina ny 50 taona ity nidoboka ity, ary hita tsara ao anatin’ny horonantsary izy manao fihetsika mamoafady amina zaza tsy ampy taona amin’ny alalan’ny safosafo samihafa, izay ao anaty birao raha ny fanombanana ny horonantsary. Misy tambazana vola, ary misy terena mivantana hanoroka sy hanafosafo azy, hoy ny fanamarihana hafa nandeha. Toetra amam-pihetsika mamoafady izay tombanana ho efa fanao matetika, ary amin’olona samihafa. Henjana ny lalàna manodidina an’io, ary mety ho tafiditra ao anatin’ny resaka fikasana hanolana izay mety ho tonga hatrany amin’ny famosirana. Vao nohavaozina rahateo ireo andininy mikasika ny fanolanana ao amin’ny andininy faha-332 sy 333 amin’ny fehezan-dalàna famaizana, nohamafisina ny sazy, ary tsy afa-bela na vao fikasana aza hanolana aza. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity. Arakaraka ny sokajin-taona ihany koa moa ny famerana sy famaritana ny sazy. Fanontaniana azo apetraka ihany koa etsy andaniny ny hoe : manao ahoana ny lalàna mikasika ireo ankizivavikely na tovovavy mbola tsy ampy taona izay maro no mety efa miroboka any anaty fivarotan-tena ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT