Fihazana sy famonoana varika Gadra sy

na lamandy hatramin’ny 50 tapitrisa Ar


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Namoaka fampahatsiahivana ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy omaly 12 martsa takariva eo anatrehan’ny ny fisian’ny fihazana varika ao Maroantsetra.

Voasokajy ao anatin’ny biby arovana indrindra eto Madagasikara (Catégorie I, Classe I). Voararan’ny Lalàna eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara noho izany ny fihazana, ny fiompiana, ny fivarotana ary ny fihinanana varika araka ny voalaza ao amin’ny Andalana faha-2 ny Didim-panjakana 2006-400 sy ny Andalana faha 29 ny Lalàna 2005-018 ny CITES - Fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena amin'ny karazam-biby sy zavamaniry. Ny tsy fanarahana ireo lalàna ireo dia maha-voasazy higadra an-tranomaizina hatramin’ny 2 taona miampy lamandy 10 000 000Ar hatramin’ny 50 000 000Ar. Raha ny ny voalazan’ny WWF Madagascar tao amin’ny pejiny ny 2 martsa teo aza, dia maha voasazy enim-bolana hatramin’ny 20 taona an-tranomaizina sy/na mandoa lamandy 5 000 000 Ariary hatramin’ny 2 000 000 000 Ariary arakaraky ny valin'ny fitsaràna ny mandripaka varika. Noho izany, mahakasika ny tranga niseho ny 10 martsa lasa teo tao Maroantsetra, dia natolotra ny fampanoavana ilay olona iray tratra nihaza varikosy tao Manambolo Distrikan’i Maroantsetra taorian’ny fidinana tampoka nataon’ny DREDD Analanjirofo. Ny 31 martsa izao no hiakatra fitsarana ity olona ity, nogiazana ihany koa ny basy nampiasainy. Nohamafisina fa mitondra tombony ara-tontolo iainana sy ara-toekarena ho antsika ny varika. Ho fiarovana azy ireo tsy ho lany tamingana dia entanina isika rehetra tsy hisalasala hampandre ny rantsamangaikan’ny Minisitera manerana ny Nosy na ny Mpitandro ny filaminana raha mahita tranga fihazana, fiompiana, fivarotana varika, hoy ny toromarika.


Ny “lémuriens” no varika ahiana ho lany tamingana indrindra maneran-tany. 94% no ahiana ho lany tamingana noho ny fahapotehan'ny ny toeram-ponenany voajanahariny, dia ny ala mando sy ny ala maiky eto Madagasikara izany) sy ny fihazana azy. Io anefa no isan’ny ahalalan’ny olona an’I Madagasikara, ary tena mampidi-bola ho antsika amin’ny lafiny fizahantany.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT