Actualités

Fihariana Tena mahavelona ny fanamboarana moto


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Anisan’ny asa tena mahavelona amin’izao ny asa fanamboarana moto eto amintsika.

Saika nivadika nitondra sy nampiasa io kodiaran-droa io avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo nanana fiara taorian’ny nampahazo vahana ny fitohanana teto amintsika. Nahazo tombontsoa betsaka tokoa vokatr’izany ireo mpivarotra moto teto amintsika. Nahatratra 25.000 isa teo ho eo mantsy no tontalin’ireo lafo tamin’ny taona 2021 raha tsy latsak’izany tamin’ny taona 2022 lasa teo. Miroborobo fatratra noho izany ny asa fanamboarana moto. Mahatafiditra 100.000 Ar isan’andro raha kely ny ivon-toerana iray raha tsy latsaky ny 40.000 Ar kosa ny vola any am-pelatanan’ilay tompona moto vao mahavita manolo na manamboatra zavatra iray simba izy. Misy amin’ireny ivon-toerana mpivarotra kojakojana moto ireny noho izany no maka mpanamboatra moto iray na roa ankoatra ireo mpanamboatra fotsiny. Mikarama ho an’ny tenany ireto farany araka izany miankina amin’ilay zavatra simba raha mahazo mpividy kojakoja kosa ilay tranom-barotra izay tsy maintsy manome kely ilay mpanamboatra moto ihany koa rehefa tena betsaka ny vola azony. Manomboka amin’ny 5000 Ar moa ny karama azon’ireo mpanamboatra moto raha misy mahatratra hatrany amin’ny 40.000 Ar ny an’ny sasany rehefa mikitika motera.
Pati
Legende : Moto no lasa tena fampiasain’ny olona eto amintsika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT