Actualités

Fihariana ravintsara Voafehin’ny fenitra Malagasy


  • Alakamisy 06 Aogositra 2015

Nivoatra be ny seha-pihariana ravintsara tao anatin’ny efa-taona nijoroan’ny Vovonana nasionaly ho fampiroboroboana ny fihariana ravintsara eto Madagasikara.

 

 

 Nanampy betsaka ny fikambanana hatramin’ny 2010 ny fisian’ny fiofanana fampahafantarana tsy an-kiato izay niafara tamin’ny fijoroan’ny fenitra Malagasy mifehy ny seha-pihariana ravintsara manerana ny nosy ity. Harena ny fananantsika hazo ravintsara, hoy ny filohan’ny Vovonana dokotera Razafinankanga Alice. Marobe mantsy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana azy izay mifototra tanteraka amin’ny fitsaboana ireo aretina isan-karazany toy ny sery sy kohaka, tosidra, aretin-koditra na koa aretin’ny vanin-taolana. Ankoatra ireo vokatra efa fampiasan’ny mpanjifa toy ny dite, menaka fanorana,  vatomamy na koa ranomanitra fanadiovana tarehy dia vokatra vaovao nivoaka tamin’ity taona 2015 ity ny savony sy dite manala havizanana vita avy amin’ny hazo ravintsara. Resy lahatra moa ireo mpikambana fa efa tanteraka eto tokoa ilay hoe «Madagasikara, Nosy ravintsara».

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT