Vao tafakatra any an-tsompitra ny vary dia mirotsaka manao biriky avokoa ny ankamaroan’ny olona any Alaotra
Misy karazany roa ny biriky fa ny betsaka mpanao sy betsaka mpitady dia ny biriky masaka na ny biriky tanimanga. Miandahy miambavy mihitsy ireo mivelona amin’ity asa fihariana iray ity any Alaotra. Faritra Ampitandrefana sy ny ao Feramanga avaratra no tena malaza amin’ny famokarana biriky. Raha noheverina ho anisan’ireo asa tsizarizary izany tany aloha dia efa fihariana matotra ho an’ny any ambanivohitra izy io ankehitriny. Misy mihitsy ireo izay namadika ny tanimbariny ho fanaovam-biriky mandavantaona. Betsaka ny asa ateraky ny fanaovam-biriky, toy ny fandorana azy, ny fitaomana azy ho tonga any amin’ny mpanjifa ary ny mpijirika. Mahavelona ny fanaovam-biriky raha tena voahaja tsara ny maha biriky tanimanga azy fa tsy mifangaro bedana. Manodidina ny 35 ariary ankehitriny ny vidin’ny iray amin’ny biriky eny ifotony raha 4 ariary izany 30 taona lasa izay. Mahalafo biriky 1 000 isan’andro farafahakeliny ny mpanao biriky iray. Misy fotoana ihany koa izy ireo tsy mahita mpividy ka voatery mampiasa mpijirika ka iny mazàna no mampiakatra ny vidiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.