Fihariam-bahoaka tsy azo atao takalon’aina

Mitombona amin’ny mpitondra rehefa grevin’ny Jirama…


  • Alarobia 09 Jolay 2025

Andaniny, tsapa ihany ny fikorapahana ao anaty Fanjakana.

Minisitra 2 no samy niteny omaly, ka ny Mpitondra tenin’ny governemanta dia ny minisitry ny serasera Rtoa Mara Donana nilaza hoe : mampiahiahy ny tanjona ao ambadik'ireo mpiasan'i JIRAMA vitsivitsy miaro ny tombontsoany manokana. Nambara fa tsy maintsy tsinjovina manokana ny fiainam-bahoaka tahaka ireo mpanao asa tena, ny any amin'ny hopitaly sekoly sy toeram-mpiasana sy ny seha-pihariana, « service essentiel » sy « stratégiques » iankinan'ny fiainanam-bahoaka ny JIRAMA ka tsy ekena ny anaovana takalon'aina ny seha-piarin'ny vahoaka, hoy io Minisitra io. Iombonana hevitra 100% amin’ny Fanjakana fa tsy tokony hatao takalon’aina ny vahoaka, kanefa tsy fombana ny mpiasan’ny Jirama ihany koa fa kosa hoe : fantatry ny Fanjakana izany koa nahoana no tsy nisy vahaolana ny delestazy efa ho 10 ora isan’andro na mihoatra hatramin’izay fa moa nisy governemanta niteny tahaka izany hatramin’izay ? Nahoana no rehefa hoe : ny mpiasa no migrevy dia hay ny milaza fa tsy azo atao takalon’aina ny seha-pihariana maro ? Fa ny zava-nitranga hatramin’izay sy ny olana tsy novahana ve tsy namotika ? Nambara fa ny fanjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Angovo dia manokatra varavarana ny amin'ny fifanakalozan-kevitra amin'izay teboka tsy mazava. Ny fitokonana dia faritan'ny lalàna velona, ka tompon'andraikitra ireo mpitarika grevy tsy nahazo alalana tia tena sy tsy mahalala ankoatra ny tombontsoany manokana amin'ny fanaovana takalon'aina ny fiainanm-bahoaka, hoy ny karazana fandrahonana. Nanampy an’io, nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy ny Solika, Atoa Olivier Jean-Baptiste, fa tsy ara-dalàna ny fitokonana kasain’ny mpiasan’ny JIRAMA sasany hatao amin’ity alarobia ity. Araka ny fanazavany, tsy narahina ny fombafomba ara-dalàna, indrindra fa ny fanaterana taratasy fampilazana mialoha sy ny fifampidinihana tsy maintsy atao alohan’ny fitokonana. Toy ny an’ny Minisitry ny serasera dia nambaran’ity minisitra ity fa sampan-draharaha tena ilain’ny mponina ny rano sy herinaratra, ka tsy tokony hatao takalon’aina amin’ny disadisa anatiny izany. Nambarany fa nisy ireo mpiasa sasany diso fandray ny votoatin’ilay sata vaovao momba ny JIRAMA. « Tsy mbola nisy resaka fanomezana amin’ny tsy miankina (privatisation) akory. Tafiditra ao anatin’ny drafitra fanarenana ilaina amin’ny fanatsarana ny fandehan-draharahan’ny orinasa io sata vaovao io », hoy izy nanamafy. Noho izany, niantso fifampiresahana ny minisitra, ary nanentana ny rehetra mba hanohy ny adihevitra sy hanafoana ny fifandisoan-kevitra, ho fitadiavana vahaolana iombonana sy maharitra. Ny mpiasan’ny Jirama anefa milaza fa in-telo miantoana tsy noraharahiana.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT