Actualités

Fihaonana Etazonia-Afrika Hanainga anio ny delegasiona Malagasy


  • Zoma 01 Aogositra 2014

Handao an’i Madagasikara ka hihazo an’i Etazonia anio zoma ny filohan’ny repoblika sy minisitra 4 hanatrika ny fihaonana an-tampony Etazonia-Afrika ny 2 ka hatramin’ny 6 aogositra izao.

Anisan’ny ao anatin’ny delegasiona ny minisi-panjakana misahana ny fotodrafirasa, ny raharaham-bahiny, ny fiarovam-pirenena ary ny minisitry toekarena sy ny teti-pivoarana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny firesahana ny AGOA eo amn’ireo filoham-panjakana Afrikanina sy mpandraharaha Amerikanina. Hisy ny fanasoniavana fifanaraham-piaraha-miasa ary hofaranana amina fiaraha-misakafo ao amin’ny Maison Blanche toeram-piasan’ny filoha amerikanina ny fihaonana. Hisongadina mandritra izao dian’ny filoham-pirenena any Etazonia izao ny fihaonany amin’ny filoha Amerikanina Barack Obama ny alatsinainy 4 aogositra. Ho any an-toerana ihany koa Ramatoa vadin’ny filoham-pirenena ary hanana ny fandaharam-potoanany manokana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT