FIHAONANA ANKAZOBE

Olona 02 lasan'ny rano, mbola tsy hita popoka


  • Zoma 26 Janoary 2024

Mbola tsy mijanona ny ora-mikija ao anatin'ny distrikan'Ankazobe

hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Miakatra izaitsizy ny rano vokatr’izany ka tandindomin-doza tanteraka ny ain’ny mponina. Olona miisa 2 no mbola tsy hita popoka lasan'ny rano omaly Alakamisy folakandro tokony ho tamin'ny 3 ora tao Antsaonjobe, fokontany Andranofotsy, kaominina ambanivohitra Fihaonana, distrikan'Ankazobe. Niampita renirano izy ireo raha araka ny fantatra ka lasan'ny riaka tao amin'ilay renirano antsoina hoe : Kelilalina izy roa mitambatra. Rasolofomanana Odifax , 62 taona ny iray raha toa ka Ratelomanana Deralalaina izay 32 taona ilay faharoa. Efa manao izay ho afany ireo mponina ao an-tanana hatramin’ny omaly hariva nikaroka azy mianaka ireto na dia mikija mafy aza ny ranon’orana. Andrasana ny fahitana ny razana.
Nangonin’i Pati
Legende : Sady mamono ny mamelona ny rano ka ilana fitandremana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

Hijery ny tohiny
FTT