Nanova fomba fiasa amin’ny fanenjehana ireo mpidoroka sy mpivarotra rongony ny polisy, araka ny toro-marika azon’izy ireo tamin’ny Talen’ny filaminam-bahoaka ao Toamasina
Ny alahady teo dia nanao be midina tao Tanambao Verrerie ny polisy noho ny vaovao azon’izy ireo, ka voasambotra tamin’izany ny rongony 04kg sy olona 07 izay mpivarotra ny rongony sy mpampian-trano ireo mpifoka ny iray izay vehivavy; mpifoka kosa ny 06 ka vehivavy ny 02 ary ny iray tamin’ireo vehivavy efa nanomboka tamin’ny faha-12 taonany no efa nifoka rongony araka ny fanazavany. Nomarihan’ny Jly Lie talen’ny filaminam-bahoaka ao Toamasina, fa “natao izao fisamborana ireo mpidoroka zava-mahadomelina izao satria ny fifohana io rongony io ihany no mahatonga ny tsy filaminana eto; ary saika miatomboka amin’ny fifohana io rongony io ihany koa ny fanaovana asan-jiolahy eto Toamasina”. Nanamarika anefa ny Talen’ny polisy ao Toamasina fa tamin’ireo olona 18 niakatra fitsarana farany tamina raharaha rongony tahaka izao dia ny 01 ihany no fihazonana fonja vonjy maika fa ny 17 nahazo fahafahana alohan’ny fitsarana avokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.