Fifindràna ao amin’ny Al Merrikh SC, Soudan

Voalaza ho tsy nanao sonia fifanarahana koa i Nicolas


  • Alatsinainy 22 Septambra 2025

Raha ny lahatsoratra navoakan'ny mpanao gazety

ara-panatanjahantena iraisampirenena mampiasa ny teny frantsay na «francophone», Anthony pla, teo amin'ny pejiny, taorian'ny fanambaràna nataon'ny Al Merrikh SC, klioba divizionina voalohany ao Soudan, fa mpilalaon'izy ireo nanomboka ny zoma teo ary hatramin'ny taona 2028 i Nicolas Randriamanampisoa na Nicolas Barea, izay vodilaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea nanao tompondakan’i Afrika na CHAN farany teo, dia nandà ny tsy nanao sonia io fifanarahana io ity mpilalaon'i Fosa Junior avy ao Boeny ity. Tranga izay mahagaga hatrany ary tsy vao sambany tamin’ny tantaran’ny famindràna mpilalao avy ao amin’ity klioba malagasy iray ity ny toy izany. Ny nalaza indrindra moa dia ny nitranga tamin’ny fotoana nifindràn’ilay irakiraka afovoany malagasy malaza, Dax na Arohasina Andriamirado, raha nihazo ny Kaizer chief, divizionina voalohany atsy Afrika atsimo, tamin’ny fotoan’andro. Na ny mpilalao aza izany tsy mahalala ny toerana hifindràny fa dia ny klioba ihany no manao ny taratasy rehetra, raha ny voatoatin’ity lahatsoratra vahiny ity. Ahiana ho tahaka ity nahazo an'i Nicolas ity ihany koa no tranga nahazo an'i Fely, izay samy milalao ao amin'ny Fosa junior ka nandavàny ny fifindrany atsy Seychelles. Hanahirana ny mety ho tohin'izao fifanarahana tsy nisy teny nierana izao, raha ny fipoitrany hatreto indray aloha fa ny hirariana hatrany moa dia ny hiravonan’ny disadisa sy ny mba ahitàn’ireo mpilalao ny mahasoa azy ireo kokoa.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT