Actualités

Fifidianana, zo maha olona,… Mijery akaiky ny Amerikanina sy ny Firenena Mikambana


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Nihaona tamin-dRamatoa Yvette Sylla, Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny delegasiona ahitana ny mpikambana eo amin’ny Kongresin’i Etazonia sy ny « United Nations Foundation »

notarihin'Atoa Peter Morrison Yeo nandritry ny fitsidihana izany nataon'izy ireo teto Madagasikara, araka ny fampahafantarana navoakan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny omaly 12 aprily 2023. Noresahana tamin'izany ny fampandrosoana ny maha-olona any amin’ny faritra atsimon'ny Nosy amin'ny alàlan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny Etazonia sy ny Firenena Mikambana ary ny Governemanta Malagasy. Anisan'ny nahaliana ny delegasiona ihany koa ny fanomanana ny fifidianana sy ny fiadiana amin'ny fiovaovan’ny toetr’andro izay anisany mitondra fiantraikany betsaka eto Madagasikara. Mikendry ihany koa ny hamantatra ny fiantraikan'ny asan'ny Governemanta amerikana sy ny Firenena Mikambana eto amintsika ary hijerena ny lalam-piaraha-miasa, indrindra eo amin’ny lafiny fampiasam-bola sy ny ady amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko ity fihaonana ity, hoy ny fampitam-baovao. Isan’ny tena sarotiny amin’ny resaka demokrasia, ny zo maha olona, ny ady amin’ny kolikoly moa ny Amerikanina ny Firenena Mikambana, ka ankoatra ny fiaraha-miasa amin’izany sehatra izany, dia manara-maso akaiky ny zava-misy eto Madagasikara ihany koa na ara-politika, na toekarena, na sosialy, ny resaka Fanjakana tsara tantana, fa indrindra ny resaka ady amin’ny asa fampihorohoroana,…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT